4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy izany no ilaina - Bessa sy lola

Tsy vitampo onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena
Tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena
Mila fandavantena
Sy hery tsy mba maty
Herim-po, herin-tsaina koa

Ny mpianatry ny Tompo
Asainy mifanompo
Na mamy na mangidy
Miaradia f'izany no didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po


Na onena ny fonao
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana

Partager tsy izany no ilaina

Commenter tsy izany no ilaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite